Toetr’andro : Ho maina ny andro eto ampovoan-tany amin’ny tapaky ny herinandro ity.
Dépêche 27 décembre, 12h30, Raha tao anaty orana sy toetr’andro somary tsy dia tsara loatra no nankalazana ny fety ny faran’ny herinandro teo dia azo atao ny manarina ny fety izay tsy tanteraka araka ny faniriana azy. Hafana sy ho tsara ny andro ao anatin’ny andro vitsivitsy manomboka anio talata ka tsy ahitana orana. Azo atao tsara araka izany ny mivoaka amin’ny alina mankafy ny haingo mamirapiratra sy maka tsirony amin’ny fety. Tsy tokony hatao be loatra foana anefa izany rehetra izany mba hiarovan-tena amin’ny mety ho olana samihafa.
