Traboina : lelavola 40 tapitrisa hotsinjaraina amin’ireo traboina
31 Janoary, 12h00. Ankoatra ny vatsy tsinjo dia homena vola 40 tapitrisa ihany koa ireo traboina. Hisitraka izany avokoa ireo traboina amin’ny fokontany rehetra nitondra takaitra tamin’ny fandalovan’ny rivodoza.Hozaraina amin’ny alalan’ny tosika fameno io lelavola io ary mbola hijery ny fanampiana ny olona amin’ny fanarenana ny simba ihany koa ny fitondrana raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra .Ny boriboritany faha 3 kosa no efa nahazo ny vatsy tsinjo androany 31 janoary. Olona 613 no nahazo izany.
