Avaradrano : Valin’ny fifaninanana gazety Tsidika
Tontosa ny fifaninana nokarakarain’ny gazety Tsidika tamin’ny sokajy telo mampiavaka ny kaominina tsirairay eto Avaradrano. Sokajy telo no nifaninana tamin’izany, izay nahitana ny Tolotra ho an’ny vahoaka, ny Toeram-pizahan-tany ary ny Fotodrafitr’asa.
Samy niezaka nandray anjara avokoa ny kaominina rehetra. Tao aza ny nandefa lohahevitra maro tao anaty sokajy iray toy i Anosy Avaratra izay nanana Fotodrafitr’asa maro nandray anjara tamin’ny fifaninanana. Marihina fa izay nahazo « J’aime » be indrindra tamin’ireo fifaninanana isan-tsokajy no nivoaka ho mpandresy.
Nivoaka ho mpandresy tamin’ny sokajy Tolotra ho an’ny vahoaka ny Kaominina Talata Volonondry. Ny resaka fitaterana no nifaninana tamin’izany. Manampy betsaka ny fitaterana ny mponina tokoa mantsy ny fisian’ny zotra H. Miala eo Ambatomitsangana ka mifarana any Sabotsy Talata Volonondry ny lalan’izany. Manamora ny fiainan’ny mponina tokoa satria ahafahana mitatitra ireo vokatra any an-toerana aty an-drenivohitra.
Nahazo ny « J’aime » betsaka indrindra tamin’ny sokajy Toeram-pizahan-tany kosa ny kaominina Ambohimanga. Ny Rovan’Ambohimanga no nifaninanana tamin’izany. Toerana anisan’ny mandrakitra indrindra ny kolontsaina Merina ny rovan’Ambohimanga. Anisan’ireo vohitra masina 12 eto Imerina izy. Ny mpanjaka Andritsimitoviaminandriana no nanome ny anarany tany amin’ny taon-jato faha-XVIII.
Nahazo ny laharana voalohany tamin’ny sokajy fotodrafitr’asa kosa indray ny avy ao amin’ny Kaominina Masindray sy ny kaominina Viliahazo. Nitovy ny isa azon’izy ireo. Ny lalana makany Manazary no nifaninanana ho an’ny Kaominina Masindray. Ny lalana makany main’ny sekoly FJKM Viliahazo kosa no nifaninanan’ny Kaominina Viliahazo.
Ireo no mpandresy nandritra ny fifaninanana nokarakarain’ny Gazety Tsidika. Ity farany izay mikendry hatrany ny hampandrosoana an’Avaradrano.
Nicole Rafalimananjara
