ActualitésTsidika

Miarinarivo: Rongony milanja 15 kg saron’ny mpitandro filaminana

Rongony milanja 15 kg no saron’ny zandary tamin’ny lalam-pirenena RN1 teo Ambatomainty kaominina Soamahamanina distrika Miarinarivo ny farany herin’andro teo. Nafenina tao anaty mahavonjy mainty ary natao tao anaty harona gony.

“Tsy mahay manimbolo zava-mahadomelina tsy akory ny mpitandro filaminana. Manoloana ny hangom-baovao voaray sy ny traikefa ananan’ny mpitandro filaminana amin’ny asany no hametrahana ny pai-kady hoentina miady manoloana ny tsy fanaran-dalàna. Mandritry ny fisavana natao tampoka no nahitana entana mampiahiahy izay nahitana rongony milanja 15 kg tao anaty arona mahavonjy mainty.” Hoy ny mpitandro filaminana.

“Nogiazana avy hatrany ireo rongony hita tao anaty arona. Hatolotra ny fitsarana ireo olona niara-niombon’antoka tamin’ity raharaha ity. Ho dorana imason’ny manam-pahefana ireo zava-mahadomelina nogiazana. Voasazy valan-tsazy mandritra ny 10 andro ilay fiara nitondra azy.” hoy ny tompon’andraikitra.

Mitohy hatrany ny fisavana sy ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana manoloana ny asa tsy fahandriam-pahalemana.

Laisser un commentaire