ConseilTsidika

Misy ifandraisany ve ny toekarena sy ny politika?

Ny toekarena sy ny politika dia sehatra roa mifampiankina ka ny fanapahan-kevitra rehetra raisina dia tsy maintsy mandinika ny fiantraikan’izany fanapahan-kevitra izany amin’ny andaniny. Mbola mijanona ho tombontsoan’ny fiaraha-monina ihany no tena tanjon’izy ireo voalohany indrindra. Ny fanapahan-kevitra ara-politika dia mety hisy fiantraikany amin’ny toe-karena raha ny toe-karena kosa dia afaka mamolavola fanapahan-kevitra ara-politika.

Matetika ny governemanta no mandray fanapahan-kevitra politika mifototra amin’ny fepetra ara-toekarena ahafahany manao zavatra. Ohatra, mety hampihena ny hetra izy mba hampiroboroboana ny fitomboana ara-toekarena. Fanapahan-kevitra politika miantraika amin’ny toe-karena ankapoben’ny firenena izany. Ny fitsipiky ny governemanta momba ny politika ara-toekarena dia tsy vitan’ny hoe mahasoa ny orinasa fa miaro ny mpanjifa ihany koa. Mety hisy fiantraikany amin’ny fifanarahana ara-barotra, fanafarana ary fanondranana ihany koa izany.

Zava-dehibe ihany koa ny fifandraisan’ny toekarena sy ny politika amin’ny fandaniam-bolam-panjakana. Izy ireo dia maneho ny vola lanin’ny governemanta amin’ny fiahiana ara-tsosialy mba hanomezana entana sy fotodrafitrasa sahaza ho an’ny mponina, fa koa mba hamatsiana ny hetsika ara-tsosialy. Ny tombontsoa mety azo dia ny fanatsarana ny tobim-pahasalamana, ny fampihenana ny fahantrana na koa ny fiarovana ny tontolo iainana, miankina amin’ny tanjona ara-toekarena sy ara-tsosialy ataon’ny fitondram-panjakana izany. 

Misy fiatraikany amin’ny toekaren’ny firenena ihany koa ny fitoniana ara-politika. Matahotra ny mpampiasa vola sy ny mpandraharaha, indrindra ny vahiny, rehefa misy ny tsy fandriam-pahalemana ara-politika nefa dia mpilalao lehibe eo amin’ny varotra iraisam-pirenena izy ireo ary noho izany dia misy tsy ampy eo amin’ny toekaren’ny firenena. Matahotra ny mety ho fiatraikany amin’ny asany sy ny fatiantoka aterak’izany izy ireo. 

Mba hiantohana ny fahatsaran’ny toe-piainanan’ny olom-pirenena dia tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny politika sy ara-toekarena ny governemanta. Mba hanaovana izany, dia raisina ny fanapahan-kevitra, na ara-politika na ara-toekarena, mifototra amin’ny toe-javatra miseho amin’ny sehatra tsirairay mba hialana amin’ny tsy fifandanjana izay mety hisy fiantraikany amin’ny sehatra sosialy ihany koa.

Laisser un commentaire