Ambohimangakely: Anisan’ny ho hita mandritra ny SSMAF ny taranja échecs
Hahazo ny anjarany avokoa ny taranja tsirairay mandritra ny SSMAF na ilay Festival iray izay karakarin’ny BTC Ambohimangakely. Efa anatin’ny fanomanana tanteraka ny hetsika ireo mpikarakara amin’izao fotoana izao. Ho hita ao ny taranja echec ka afaka ny handray anjara amin’izany ireo mpankafy rehetra. Natao ho an’ny sokajin-taona rehetra ity taranja ity ka afaka mandray anjara avokoa. Namoaka ny anaran’ireo mpilalao mendrika ny Federasiona Malagasin’ny Echec ka azonao atao ny ho tafiditra amin’izany sangany izny amin’ny alalan’ny traikefa azo mandritra ny hetsika SSMAF.
« Anisan’ny lalao iray mampivelatra saina ny lalao echec. Farany teo dia efa nandray anjara tamin’ny lalao ireo ankizy kely latsaky ny valo taona. Mpirahalahy i Razafindrano Raphaël laharana faharoa sy i Razafindrano Wesley laharana fahatelo. Mbola tena ankizy fa efa azo lazaina ho mahay. Maro be ny terana afaka hakàna traikefa eto amin’ny faritra fa ny fahazotoana no zava-dehibe », hoy ny avy ao amin’ny Fédération Malagasy du Jeu d’Echecs (FMJE)
Haharitra roa volana ny hetsika SSMAF izay hanomboka ny ka raha te hahazo fahaizana ary mba hisoratra manerana ny Nosy na manerana ny tany ny anaranao dia hatomboy amin’ny kely hatrany. Azonao hanombohana izany ity hetsika ity.
Miora Raharisolo
