ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Nisy ny asa fanamboaran-dalana tao Antsahamarofoza

Nisy ny asa fanamboaran-dalana tao amin’ny fokontany Antsahamarofoza, kaominina Ankadikely Ilafy, ny faran’ny herinandro teo. Lalan-tany mirefy 2 km no vita nandritra izany, araka ny voalaza.

« Fiaraha-miasan’ny kaominina sy ny faritra Analamanga no nahafahana nanatontosa ny fanamboarana sy ny fanatsarana ary ny fanitarana ny lalana teto Antsahamarofoza. Efa hita tokoa ny fahasimbana teo amin’ny lalana ka izay no nitondrana ny fanamboarana » hoy ny avy amin’ny kaominina.

« Zava-dehibe ny fanamboaran-dalana ety ifotony. Maro ireo mpampiasa ity lalana ity ka mba ho tombotsoan’ny be sy ny maro sy ho fitsinjovana ireo mpampiasa azy, indrindra ireo tantsaha sy mpitondra vokatra dia ilaina ny fanamboaran-dalana » hoy hatrany ny fanazavana.

Efa ela niandrasana izao fanamboaran-dalana izao moa ireo mponina ao an-toerana. Na izany aza anefa, mbola mangataka ireo mponina amin’ny fokontany hafa ny hijerena sy hanamboarana ireo lalana simba.

Manitra R.

Laisser un commentaire