ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Nahazo taratasy fahazoan-dàlana ireo mpitatitra amin’ny cyclo-pousse

Nahazo taratasy fahazoan-dalana na (licence) avy amin’ny fiadidian’ny kaominina Ankadikely-Ilafy ireo mpitatitra amin’ny cyclo-pousse. Tamin’ny talata teo. Ho fanatsarana ny fitaterana ao amin’ny kaominina Ankadikely-Ilafy no aton’izany fanomezana fahazoan-dalana izany, ary ihany koa ho fanomezan-danja sady ahafahan’ireo mpitatitra ireo manao ny asa fivelomany ao anatin’ny ara-dalàna.

Marihina fa 20 mahery izy ireo no nahafeno ny fepetra notakiana tamin’izany. Antsoina ihany koa izay rehetra liana te hisehatra amin’izany fitaterana izany ho tonga hanatona eny anivon’ny biraon’ny kaominina Ankadadikely Ilafy.

Famenontsoa Rajerison

Laisser un commentaire