ActualitésTatitra

La Réunion : Manantena ny hanokatra ny sidina mampitohy an’i La Réunion sy Chennai amin’ny volana jolay ny Air Austral

Ny 27 martsa teo no niato ny sidina ny sidina mampitohy an’i La Réunion sy Chennai. Nanazava kosa ny Air Austral omaly fa efa miasa sahady amin’ny fiverenan’izany izy ireo. Marihana nefa fa miankina amin’ny « aviation civile » sy ny vaomiera eoropeana izany fiverenana izany ary eo anelanelan’ny roa hatramin’ny efa-bolana ny fe-potoana handraisan’izy ireo ny fanampahan-kevitra.

Mila heveran’ny Air Austral kokoa ny tombobarotry ny orinasa amin’io sidina io hoy ny vaomiera eoropeana. Manoloana izany dia efa mitady vahaolana mahomby hampifandanjana ny tolotra sy ny tinady ny Air Austral raha fanazavan’ny taleny, Joseph Brema. Manantena izy ireo noho izany fa amin’ny volana jolay dia hisokatra indray ny sidina mampitohy an’i La Réunion sy Chennai.

Laisser un commentaire