Ambohimangakely : Lehilahy iray nahatratrarana fonosana rongony milanja 300g
Nisy ny ady natao amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina nataon’ny avy ao amin’ny brigadin’ny zandarimaria avy ao Ambohimangakely, ny herinandro lasa teo. Sarona nandritra izany ny lehilahy iray 28 taona, niaraka tamin’ny fonosana rongony miisa 127 ary nilanja 300g, araka ny voalaza.
« Niainga avy tamin’ny angom-baovao ny zandarimaria avy tao amin’ny zana-tobim-paritra Soamanandrariny ary nahalala fa misy mpivarotra rongony ao 67kely, izay ao amin’ny fokontany Soamanandrariny, Ambohimangakely » hoy ny avy amin’ny mpitandro filaminana.
« Rehefa nirotsaka an-tsehatra ny chef de poste avancé sy ny ekipa taorian’ny nahazoana toromarika avy amin’ny kaomandin’ny tobim-paritra, dia tratra tao an-tranony ny lehilahy iray izay efa mpivarotra rongony, niaraka tamin’ny fonosana zamahadomelina fohana » hoy hatrany ny fanazavana.
Nogiazana teny amin’ny biraon’ny zandarimaria moa ireo zavamahadomelina tratra ireto. Natolotra ny fitsarana kosa ity lehilahy ity. Nanamafy ny fitohizan’ny ady ampin’ny fiparitahan’ny zavamahadomelina moa ireo mpitandro filaminana.
Manitra R.
