Sao dia tokony imasoana ny fanoloana ny mpikambana mandrafitra ny Governemanta ?
Anisan’ny resaka mafana ny fanoloana ny mpikambana ao amin’ny Governemanta.Raha jerena ny fizotran’ny raraham-pirenena ankehitriny, betsaka no tsy tomombana: miakatra ny vidim-bary, ahitana fiakarana zato isan-jato ny vidin’ny arina fandrehitra, tsy misy ny simenitra, mirongatra ny fanararaotam-pahefana,manjaka ny tsy fandrim-pahalemana, miala andraikitra ny ministera sasany ary tonga hatramin’ny fifofoana ny ain’ny Filoham-pirenena mihitsy aza.
Eo am-panaovana « evaluation » izy, hoy ny Filoha. Iza no mahavita ny asany, iza kosa ireo tsy manaraka ny vinan’ny Filoha. Mitarika korontana sosialy ny tsy fandraisan’andraikitr’ireo olom-boafidy mandrafitra ny Governemanta. Toa mitondra vahaolana ihany izy ireo fa vahaolana kisarisary fotsiny ihany. Kapoakam-bary manara-penitra no aroso nefa ny vidim-bary no midangana. Nanamboarana tsena ny mpivarotra amoron-dalana kanefa toa tsena zara raha azo ivarotana no natolotra azy ireo. Tsy voavaha ny fiakaran’ny vidin’entana dia ny olon-tsotra no lazaina fa manararaotra. Tsy mahita hevitra ny ministera sasantsasany dia manonona anaran’olon-kafa ho tompon’andraikitra.
Tsy araky ny Fanjakana ny fanarahana ny raharaha rehetra misy eto amin’ny firenena. Mila mandray fanapaha-kevitra haingana ny Filoha, efa misasaka izao ny fe-potoana hitantanany. Sao tokony hiroso amin’ny fanovana fa mijaly ny vahoaka.
Tsangy Randriamampianina
