Nahazo fiofanana ny mpamily ao amin’ny Fonds d’Intervention pour le Développement
Nanao fampiofanana ny mpamily teo anivon’ny FID ny tao amin’ny foibe ny fitsarana fiarakodia (DGSR) ka nifarana omaly izany mba ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana.
Mpiofana miisa 66 no nampiofanina tamin’ity andiany voalohany ity ka omaly nahazo ny mari-pankasitrahana izy ireo izay natolotry ny tale jeneralin’ny DGSR tetsy Alarobia izany no natao mba hampamatihanina ireo mpamily eo anivon’ny FID ka hampihena ny loza ateraky ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra.
Tena ilaina hoy ireto mpisitraka ny fampiofanana ny toy izao satria manampy azy ireo amin’ny fitandremana sy fisorohana ny loza ny zavatra toy izao. Ny tale jeneralin’ny DGSR koa dia nilaza fa: “Tanjona amin’ny fampiofanana toy izao ny hampihenana ny lozam-pifamoivoizana.” Ary nampiany fa fotoana tokony hitondrana ny anjara biriky mba hisorohana sy hampihenana ny lozam-pifamoivoizana izao. Nanome toky kosa ny teo anivon’ny FID izay misehatra amin’ny lafin’ny fiaraha-monina fa hitandro hatrany ny mba tsy hisian’ny loza saingy hoy ihany ny nambarany teo amin’ny FID, mila malina hatrany eo amin’ny fiainana.
Mila amalina hatrany tokoa eo amin’ny fiaianan satria tena nihabetsaka tato ato ny loza nateraky ny fifamoivoizana izay mety noho ny tsy fitandremana sy ny tsy fanarahamaso ny fiarakodia koa izany ka tena ilaina ny fampianarana toy itony ary tokony ny mpamily rehtra mihitsy no tokony hisitraka ity fampiofanana ity saingy noho ny atony maro dia voafantina ireo izay hisitraka ny fampiofanana toy ny eo anivon’ny CUA izay hisitraka izany amin’ity farany volana aogositra ity.
Anja Raharimalala
