ActualitésTsidika

Ambovombe : Velaran-tany midadasika no rakotra fambolena Ampemba

Velaran-tany midadasika no rakotra fambolena Ampemba ao Bekopika, kaominina Andalatanosy, distrikan’Ambovombe, faritra Androy. Mahavita, ary mendrika ho ampiana ireo fikambanan’ny tantsaha izay miray hina sy tena mamokatra tokoa ao Bekopika.

« Hita fa tena miezaka amin’ny sehatry ny fambolena tokoa ny mponina aty. Rariny loatra raha tohanana izy ireo ho lasa lavitra hatrany » hoy ny Governoran’ny Faritra Androy. « Tsy maintsy omena fiofanana ara-teknika ireo vondron’ny tantsaha mpamboly. Ho vatsiana fitaovam-pamokarana ari-fomba hahafan’izy ireo mamokatra bebe kokoa hanatratrarana ny vinan’ny fitondram-panjakana dia ny fahavitantena ara-tsakafo » hoy ny Minisitry ny Fambolena sy fiompiana.

Ny fambolena tokoa no sehatra anisan’ny tena tokony handroso indrindra eto Madagasikara. Mbola midadasika i Madagasikara, saingy mbola misy foana ny fivangovongovoana eto andrenivohitra.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire