SocialTsidika

Ambatomirahavavy : Hita soa aman-tsara i Bebe Rabine 

Hita soa aman-tsara tany Ambatomirahavavy i Razanadrasoa Joséphine (Rabine) tamin’ny alakamisy. Izy ilay vehivavy 90 taona nanaovana antso sy ombay mitady tao amin’ny tamba-jotran-tserasera nanomboka ny alatsinainy 20 jona teo.

« Nahatsikarika azy teo amin’ny tranom-pokonolona Ambatomirahavavy ny mponina. Tsy hita tampoka teo anefa ny nisy azy avy eo. Teny amin’ny fefiloha bararata izy no hita, ary nisy nantitra taty aminay. Nentina namonjy hôpitaly avy eo » hoy ny Zandarimaria ao Ambatomirahavavy. « Velon’aina soa aman-tsara izy, saingy mbola tsy nahatsiaro tena noho ny havizanana sy hanoanana. Tsy nahitana ratra na mangana ny vatany » hoy ny mpitsabo.

Tsy nahatadidy intsony ny toerana tokony hodiany izy. Izay no antony nahavery azy. Efa tafaverina eo amin’ny fianakaviany izy.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire