Antsofinondry : Mbola mitohy ny fampiofanana omen’ny CFPF
Mbola mitohy ny fanadraisana mpiofana vaovao ao amin’ny CFPF Antsofinondry amin’izao fotoana izao. Ny 9 may ho avy izao no fidirana manaraka ho an’ny fiofannaa maro be hita ao.
« Misokatra ho an’ireo tanora liana amin’ny fiofanana toy ny zaitra sy ny peta-kofehy, ny hay-fy sy ny informatika ny fisoratrana anarana. Ireo avy eto Sabotsy Namehana sy ny manodidina no antsoina amin’izay. Hisy ny famerana ny toerana ho an’ireo mpiofana. Hozaraina marai-pahaizana hatrany ireo nahavita izany » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny CFPF Antsofinondry. « Tena manampy betsaka ny mponina eto Sabotsy Namehana sy ny manodidina ity ivon-toeram-pampiofanana ity. Manampy betsaka ny tanor ahahay zavatra izy ireo mba ho afaka hiasa tena » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana.
Hirariana tokoa ho betsaka ny tanora liana amin’ny fampiofanana arak’asa tahaka izao. Isan’ny vahaolana manolona ny tsy fisian’ny asa tokoa manko ny manangana asa ho an’ny tena.
Nicole Rafalimananjara
