ActualitésTatitra

Maurice : Maimaimpoana ny fianarana any amin’ny garabola manomboka ny taona 2024 izao

Maimaimpoana ny fidirana ao amin’ny garabola manomboka ny taona 2024 izao raha ny fanambarana nataon’ny praiminisitra tao Maurice nandritra ny fankalazana ny faha-55 taona nahazoan’ny nosy ny fahaleovantenany ny 12 martsa teo. Nilaza i Pravind Jugnauth nandritra izany fa mieritreritra ny hanangana rafitra fifanampiana eo amin’ny fampianarana « préscolaire » ny governemanta ka manasa ireo sekoly tsy miankina handray anjara amin’izany.

Nanamafy izy fa mikasa ny hampaimaimpoana ny fianarana ao amin’ny « préscolaire » rehetra izy ireo mba hahazoan’ny ankizy 3 hatramin’ny 5 taona fampianarana tsy mitanila ao amin’ny sekoly tsara kalitao. Efa eo ampamolavolana io tetik’asa io indrindra ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny fitantanam-bola hoy i Pravind Jugnauth. Mampametra-panontaniana sekoly tsy miankina maro nefa io fanampahan-kevitra io : « Iza no hiantoka ny fandanianay raha izany ? Inona no hatao raha tsy misy izany ny saram-pianarana? Hisy ve noho izany ny fanampiana avy amin’ny fanjakana ? » hoy izy ireo.

Laisser un commentaire