ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Tafavoaka ara-pomba ofisialy ny andiany Santatra tamin’ny fampianarana informatique

Notanterahana ny faran’ny herinandro teo ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ireo mpianatra informatique, izay natolotry ny kaominina Ambohimangakely. Mpianatra maherin’ny 150 isa no navoaka nandritra izay ary notolorana ny mari-pankasitrahana, ary nitondra ny anarana andiany Santatra, araka ny voalaza.

« Rehareha an’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ny fahitana ireo ankizy tanora sy olon-dehibe maro nahavita soa ny fiofanana tahaka izao. Ny hirariana mba hitohy hatrany izany ahafahana manome fahalalana sy mampandroso ny tanora » hoy i Harisoa, mponina ao Ambohimangakely.

« Hisaorana be dia be ny tomponandraikitra ny kaominina, izay angady nananana sy vy nahitana ny fiofanana teto an-toerana. Tombony lehibe ho an’ny tanora ny fahavitana sy ny fandraisana mari-pankasitrahana izao satria mariky ny fananana traik’efa sy ny fahaizana rehefa hitady asa » hoy i Sitraka, nanaraka ny fiofanana.

Niara-niasa tamin’ny fanomezana ity fiofanana ity tamin’ny kaominina Ambohimangakely moa ny CFP (Centre de Formation Professionnelle). Mbola hitohy hatrany izany fiaraha-miasa izany ary hanomboka tsy ho ela ny fidirana ho an’ny andiany manaraka.

Manitra R.

Laisser un commentaire