Fahadiovana : Tanàna voretra indrindra aty Afrika i Antananarivo.
Efa fahazarana ny fahavorerana ho an’Antananarivo. Ary lasa hafahafa rehefa mandeha amin’ny toerana iray ka sady madio sy milamina izany. Toa ireny tsy eto Antananarivo irery fa any amin’ny toeran-kafa. Misy mihitsy aza fivarotana hani-masaka izay mifanotrona amin’ny fako misavovona sy ny fofona maimbo. Hita ho tsy maharototra ny olona loatra ny mikasika ny fahadiovana. Samy mivalan-drano sy mangery eny amin’izay metimety aminy, manipy ny fakony amin’izay tiany… Hany ka ny « Avenue de l’indépendance » aza maimbo amany tanteraka. Tsy mandiso ny zava-misy rahateo ny tatitra navokan’ny Magazine Forbes ny taona 2020 teo. Tanàna voretra indrindra aty Afrika i Antananarivo ary fahatelo maneran-tany. Baku, any Azerbaidjan sy Dhaka, any Bangladesh no mitàna ny laharana voalohany sy faharoa maneran-tany. Ratsy dia ratsy ihany koa ny kalitaon’ny rivotra iainana eto andrenivohitra. Tsy tokony hihoatra ny 20 µm/m3 ny tahan’ny “particule fine” raha ny nambaran’ny OMS. Avo valo henin’io ny taha ho an’Antananarivo satria 150 µm/m3 be izao izany rehefa norefesina. Tarehimarika nalain’ny INDRI ny 19 aprily 2020.
Dinah Razanajatovo
