SocialTsidika

Miteraka fahasimbana ho an’ny ankizy ny fanambadiana aloha loatra.

Maro ireo zaza tsy ampy taona manambady aloha loatra. Efa voafaritry ny lalàna velona eto Madagasikara fa feno 18 taona ny tanora lahy na vavy vao afaka miditra amin’ny sehatry ny fanambadiana. Tsy voahaja anefa izany, indrindra amin’ny faritra sasany ka izany indrindra no tokony hanaovana fanentanana. Vokatry ny fahantran’ny ray aman-dreny sy ny fomban-drazana matetika no mahatonga ny tanora miditra aloha loatra amin’ny fanambadiana. Hita anefa fa mitarika fatiantoka betsaka ho an’ny ankizy indrindra fa ny vehivavy  izany noho ny toe-batany tsy mbola tena tomombana hiditra amin’izany fanambadiana sy fiterahana izany. Tsy mahagaga raha mbola betsaka ny taham-pahafatesana eo am-piterahana. Ny fanadihadihana nandritra ny fanisana natao farany teo no nahitana fa ankizy eo amin’ny 12 ka hatramin’ny 19 taona no efa tafiditra tanteraka eo amin’izany sehatra izany sahady. Tanora zazavavy miisa 452 022 amin’io salan-taona io no efa hita tamin’ny fanisana, raha toa ahitana ankizy miisa 21 010 eo amin’ny salan-taona 12 ka hatramin’ny 14. Hita amin’izany fa tanora vao herotrerony tokoa ny ankamaroany. Hita ho tena mapiakatra be io tahan’ny fanambadiana ny fotoan’ny valan’aretina Covid-19 sy ny hanohanana tany amin’ny faritra atsimo. Tanjon’ny ray aman-dreny amin’ny fandefasana ny zanany manambady ny hampihena ny fandaniana misy ao an-tokatrano. Misy ihany koa ny takalo amin’ny mpanam-bola izay atao toy ny vola, ny omby sy zavatra maro samihafa. Vahaolana manoloana izany ny fanentanana ny ray aman-dreny mba tsy hanakalo ny zanany amin’ny zavatra hafa. Anisan’ny fanavotana ireo ankizivavy tsy ho tafalatsaka amin’izany fanambadiana izany aloha loatra ny fanomezana azy ireo toeram-piofanana arak’asa. 

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire