Fampiroboroboana ny fizahantany anatiny.
Paik’ady iray ahafahan’i Madagasikara mankany amin’ny fisandratana ny fizahantany. Ny fanamboarana foto-drafitr’asa mifanaraka amin’ity sehatra ity no hitan’ny fitondram-panjakana ho laharam-pahamehana. Tafiditra ao anatin’ny paik’ady hanatrarana io tanjona io ny fampiroboroboana ny foto-drafitr’asa, ny fampandrosoana ny fizahantany manerana an’i Madagasikara, ny fampivoarana ny sehatry ny fitaterana. Anisan’ny mampiroborobo izany ihany koa ny fanatanterahana hetsika hanitonana ny mason’ny olona amin’ny maha kanto ny nosy. Toy ity hatao etsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ity, manomboka ny 11 ka hatramin’ny 13 martsa 2021 ho avy izao. Tanjona ny hampahafantarana ny toerana manan-danja eto Madagasikara, eo ihany koa ny hahafahan’ny faritra tsirairay mampisongadina ny zava-misy ao aminy. Anisan’ny tanjona hafa ihany koa ny hanomezana teti-bidy ho an’ireo te hizaha ny toerana, amin’ny alalan’ny fampihenana ny sarany hatrany amin’ny 50%. Azon’ny mpitsidika atao araka izany ny tonga eny Antaninarenina amin’ireo fotoana ireo. Mba hahatonga ny sehatry ny fizahantany hiakatra kokoa, tokony hohafainganana ny fanatsarana ireo foto-drafitr’asa maro, indrindra ny lalana. Manampy izany ihany koa ny fanamafisana ny fahandrim-pahalemana, izay sakana tsy maharisika ireo mpizaha tany.
Fanilo Rarivoarilala
