SocialTsidika

Fitaterana andrenivohitra : Tsy misy fanajana ny mpandeha.

Tsy misy kalitao ny tolotra omena ny mpanjifa eto andrenivohitra raha ny sehatry ny fitaterana no resahana. Mampiteny ny moana mihitsy ny tsy fanajan’ny mpanampy ny mpamily ireo mpanjifa. Voalohany amin’izany ny fikitakitana ireo izay sahirana vao tafala amin’ny toerany. Fanampin’izay ny fitakiana an-trerona ny saran-dalana, ny tsy firarahiana ny fahadiovana sy ny fahalalam-pomba. Misy ihany koa ireo izay manao fanahy iniana mody manadino ny famerim-bola. Manginy fotsiny ny fihodianana an-dalana, na ny tsy fandraisana mpandeha mihitsy eny amin’ny fijanonana. Ary ny fanondrotana saran-dalana kosa rehefa manomboka maizina ny andro na ihany koa avy ny orana. Mbola maro tsy voatanisa ny olana hita. Tafiditra ao anatin’izany hatramin’ireo koperativa izay noheverina ho modely ho an’ny hafa. Na izany aza, tsy azo atao anaty lasitra iray ny rehetra. Misy tokoa ireo fiara izay tena manao ny asany sar aka misy midera ao anaty tambazotran-tserasera. Efa maro ireo fiara nosazian’ny ministera tompon’andraikitra noho ny tsy fanajana mpandeha. Tsy mba azon’ny mpandeha bus tokoa mantsy ny nitokona toy ny vahoaka sasany izay mahatsapa fa tsy misitraka ny zony. Ilain’ny vahoaka ny bus ka tsy afa-manoatra izy.

Dinah Razanajatovo

Laisser un commentaire