ActualitésTsidika

Mpanangana trano an-taonany maro i Solo

Mpanao trano izay asa tena  manokana no ataon’i Solo kely. Eny andraharo no foneneny. 30 taona izy izao ary efa maty vady, manan-janaka 2 mianadahy. Miaraka mipetraka amin’ny rafozabaviny izy 3 mianaka. Betsaka ny lalana nandalovany vao tonga amin’zany . Mpiompy kisoa tany Ihosy ny asany teo aloha ary taty aoriana dia hitany fa mana-talenta amin’ny fanaovana trano izy ka nampitombo ny traikefany .

 Tao amin’ny « Don Bosco Ivato » izay toeram-piofana mampianatra ny fanangana trano izy no niofana. Rehefa vita ny fianarany dia niasa tamin’ny orinasa izy. Ireto avy ny orinasa izay efa niasany : FTTP BTP,Construct ,Arthis Madagascar,EMGCTP Ivato,sanifer,SDB Tsarasaotra. Taty aoriana anefa izy dia nanapa-kevitra ny hiasa tena manokana fa tsy hiasa aminy orinasa. EFa 12taona izay no nanaovany ny asa. Eo aminy trano 4 isan-taona eo ny trano ataony isan-taona ka arakaraky ny olona miantso azy.

Eny anelanelany eny izy dia misy maka aminy fanamboarana madinika isan-karazany. Mahavita ny asa rehetra momba ny trano izy araka izay planina omeny mpampiasa azy. Manana olona manampy azy koa izy arakarakin’ny asa atao. Miankina aminy « devis » ny trano ny karamany. Azo lazaina hoe mora karama ihany izy ary tsara fiasa. Nandritra izay fotoana nanaovany asa izay dia tsapany amin’izao fa tsy mitovy amin’ny karama izay raisiny teo aloha intsony ny karama amin’izao satria dia tena miadi-varotra be ny mpampiasa. Noho ny fiakaran’ny vidim-piainana sy fiakaran’ny fitaovana ampiasaina ny mahatonga izany. Ny olona amin’izao ihany koa te hanana zavatra tsara kanefa mikafiry vola, hoy izy. Afaka atsoina izy raha misy fanamboharana na manangana manontolo mintsy.

Laharantarobia izay azahoana azy : 0384248294

Laisser un commentaire