SocialTatitra

Seychelles : Anse Source D’Argent, toerana mampidi-bola ho an’ny nosy



Torapasika ao amin’ny nosy La Digue, nosy fahaefatra lehibe indrindra ao amin’ny vondronosin’i Seychelles ny Anse Source D’Argent. Amin’ny alalan’ny fandalovana ao amin’ny Union Estate Farm, toerana mitahiry ireo sokatra lehiben’i Seychelles ihany no ahafahana miazo azy.

Misarika mpizahan-tany ny toerana nohon’ny rano madio mangatsakatsaka sy ny milamina. Ankoatran’ny torapasika dia ahitana toeram-pambolena lavanila sy voanio ihany koa manodidina ny Anse Source D’Argent. Talohan’ny nidiran’ny nosy tamin’ny tontolon’ny fizahan-tany mantsy dia natokana indrindra tamin’ny fambolena lavanila sy « kopra » izay « pulp » maina an’ny voanio alaina menaka ny toerana.

Laisser un commentaire