ActualitésTatitra

Etats-Unis : Ho atao any Brésil ny Copa America

Nifarana hatreo ny ahiahy sy fisalasalana. Hanomboka ny alahady 13 jona ho avy izao any Brésil ny Copa America amin’ny lalao baolina kitra na dia eo azan y fisian’ny valan’aretina Covid-19. Efa nanakantona ny ady ny alakamisy 10 jona lasa teo ny fitsarana tampony any an-toerana na dia mbola tsy vita akory azan y fifidianana. Nandà ny taratasy fitarainana napetraky ny antoko roa hafa sy ny sendika ny amin’ny hanafoanana ity fifaninana ity ny mpitsara 6 tamin’ireo 11 amin’ny fitsarana avo any Brésil. Ny lalao fanokafana izay ifanandrinan’i Brésil sy Venezuela. Andiany faha-47 amin’ny fifaninana baolina kitra efa naharitra indrindra eran-tany, izay natao ny 1916 ny andiany voalohany no efa tady tena manify sisa nitazona ny tsy hanafoanana azy herinandro lasa izay. Tokony efa natao heritaona lasa izay ity fifaninana baolina kitra Copa ity, tany Colombie sy Argentine talohan’ny vaotery nanemorana azy noho ny valan’aretina. Miatrika korontana ara-tsosialy goavana i Colombie izay nahafatesana olona amam-polony ka nangataka ny hanemorana ny fifaninana. I Argentine kosa niala an-daharana roa herinandro lasa izay noho ny krizy ara-pahasalaman

Laisser un commentaire