Fikambanan’ny vehivavy Mangarivotra Bekily : Mandraharaha ho tombontsoan’ireo mpianatra any an-tsekoly
Miantraika any amin’ny tokantranon’ny tsirairay ny olana ao anatin’ny fikambanan’ny vehivavy Mangarivotra Bekily (FIVEMA) ankehitriny. Manome sakafo ho an’ireo mpianatra na ny « cantine scolaire » no asan’izy ireo amin’izany saingy misedra olana izy ireo amin’ny fantanterahana azy.
Tsy manana fidiram-bola ny fikambanana entina hanatanterahana ny asa fa misy kosa ireo tsara sitrapo manampy. Tsy tomombana anefa ny fanampiana avy amin’izy ireny ka misedra olana tsy fahampiam-bola ny fikambanana ankehitriny, zary lasa tsy ampy ny enti-manana hahafahana mividy mangahazo ho an’ireo mpianatra ireo. Miisa 80 izy ireo no mikambana amin’izany ary tsy an’asa ny 90 isan-jaton’izy ireo ka anisan’ny miteraka ny olana ihany koa izany. Manodina ny mangahzo ho lasa lafarinina no asan’izy ireo ary manaparitakan izany amin’ireo sekoly manodidina araka ny nifanarahana. Noho ny tsy fahampian’ny vola hividianana mangahazo anefa dia mihena ny vokatra ary mihena arak’izany ihany koa ny vola miditra ka mihena hatramin’ny vola raisin’ny vehivavy tsirairay izay hany mba entiny hamelomana ny tokan-tranony.
« Tany amboalohany dia voaloha ara-dalàna ny vola ary ampy tsara na hamelomana ny fikambana na hamelomana ny vehivavy tsirairay ny vola niditra, amin’izao fotoana izao anefa tsy voaloan’ny sampan-draharaha misahana ny sakafo aty an-toerana intsony ilay izy dia sahirana izahay ara-pivelomana » hoy i Irène, mpitarika ny fikambanana. « Ny hany hangatahanay hatreto dia ny mba hanampiana anay sy mba hanomezana formation ho anay hahafahanay miasa fa ny miankin-dohabamin’ny lehilahy izany alohab dia tokony hialana mihitsy » hoy kosa i Marinà, mpikambana.
Mba hialan’ny vehivavy amin’ny fiankinan-doha amin’ny lehilahy dia tsara raha manana asa izy ireny. Manana anjara teorana lehibe amin’ny fampananan’asa amin’izany ny ministera mpiahy ny mponina, tsy tokony hiandry ny ministera irery ihany anefa amin’izany fa tokony samy hanana ny eritreriny ny tsirairay hahafahana manampy azy ireo.
Miora Raharisolo
