Tanzanie : Kilimandjaro miavaka voakasika mivantana ny fanimban’olombelona
Tendrombohitra avo indrindra aty Afrique ny Kilimandjaro, ao avaratra atsinanan’i Tanzanie no misy azy ary mahatratra havoana 5 891,8 m izy. Ivondrona volkano telo ny toerana : Shira ao andrefana, hita eny amin’ny havoana 3 962 m ; Mawenzi ao atsinanana, eny amin’ny 5 149 m miala ny tany ary Kibo izay hita vao haingana eny amin’ny tendron’ny tendombohitra.
Anisany mampiavaka ny Kilimandjaro ny fananany faritra ahitana ranomandry eny amin’ny amin’ny tendron’ny tendromohitra. Nanomboka nanjavona nefa izany hatramin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20 ary ahiana ho foana tanteraka io tranga io any amin’ny 2030 sy 2050 any. Voalaza fa miahaingana io fifoanan’ny toetr’andro « neigeuse » ao Kilimandjaro ary anisany fanafaingana izany indrindra ny fiovan’ny toetrin’ny andro sy ny fandripahana ala.
