France : Iza moa i Grégory Cuilleron ?
« Chef cuisinier » i Grégory Cuilleron. Izy tapa-tànana havia no tena ahafantaran’ny maro azy. Teraka ny 2 aprily 1980 tao Lyon, izy ary teraka niaraka tamin’io kilemany io. Nianatra momba ny lalàna izy rehefa tsy tafiditra tao amin’ny mpitsabo miaramila noho ny kilemany. Nahazo DEUG (Diplôme d’études universitaires générales) ary naka BTS (Brevet de technicien supérieur) ka tafiditra niasa tao Etats-unis.Nandray anjara tamin’ny fifaninana sy fandaharana maro tamin’ny fahitalavitra kosa izy rehefa nody tao France ary lasa mpahandro sakafo manana ny lazany. Efa tonga teto Madagasikara i Grégory Cuilleron tamin’ny taona 2014. Nijery ireo karazan-tsakafo teto Antananarivo sy Sainte Marie.Tsy nataon’i Grégory Cuilleron sakana ho an’ny fanatratrarana ny nofinofiny mihitsy ny kilemany. Nahazo ny toeran’ny tompon-daka eran-tany ny « œuf en meurette » izy ny alahady teo.
