France : Vehivavy iray nahazo 220 tapitrisa euros tamin’ny « loto »
Io sandam-bola io no ambony indrindra teo amin’ny tantaran’ny « loto » Euromillions. Vehivavy avy any Polynésie, izay nilalao voalohany tamin’io lalao io, no nahazo ity lelavola goavana ity. Notsatotsatohany, raha ny fanazavany, ny isa tamin’io « loto » nataony io, ary nilaza izy fa entiny hanatanterahany ny tetikasany ny vola.Efa nisy olona roa nahazo lelavola avo dia avo tamin’io lalao io ihany koa talohany : ny desambra 2020 teo ny voalohany izay nahazoana 200 tapitrisa euros tao France ary ny 21 febroary 2021 teo ny faharoa, izay nahazoana 210 tapitrisa euros tao Suisse.
