Sabotsy Namehana : Hisy ny lalao goavana hifaninanan’ny kaominina rehetra
Hisy ny ady baolina kitra goavana ny alahady 7 Novambra ho avy izao ety Avaradrano, izay hihaonan’ny ekipan’ny kaominina Ambohimangakely sy ny kaominina Sabotsy Namehana ao amin’ny kianjan’ny Pr Predro Andralanitra.
Fialam-boly iray tena mahaliana ny mponina eto Avaradrano tokoa ny baolina kitra ka saika mikarakara avokoa ny kaominina rehetra ka ny Distrika iray manontolo indray amin’izao. « Manomboka amin’ny roa ora ny lalao ka hanokafana ny fifaninana baolina kitra eto Avaradrano aloha dia ny Ambohimangakely sy Sabotsy Namehana no hanomboka azy ka hantenaina hizotra tsara ny hetsika » hoy ny mpikarakra. « Ny fahatongavantsika mijery ny lalao dia porofo fa manohana tsara ny ekipan’ny Kaominina isika avy eto Ambohimanagkely sady tsy misy vidim-pidirana » hoy ny ben’ny tanàna ao Ambohimangakely, Radafindranaro Thierry. « Tsara tokoa ny hetsika hampiraisana ny kaominina rehetra eto Avaradrano tahaka izao satria tsy misy afatsy isika samy isika ihany aloha no afaka mifanampy vao misy ny any ivelany » hoy i Cedric, mponina ao Sabotsy Namehana. Ny baolina kitra tokoa no fanatanjahan-tena mahaliana ny mponina ka azo atao tsara ny mitady foana hampiraisana ny mponina ao anatin’io sehatra iray io.
Antenaina fa hampitombo ny firaisan-kinan’ny kaominina rehetra eto amin’ny Distrikan’Avaradrano ka izay resy tsy ankoraina ary izay nandresy tsy hobiana.
Nicole Rafalimananjara
