Ambohimanambola: Tontosa soa aman-tsara ny seho vaky sehatra
Tamin’ny alahady lasa teo no nanaovana ny seho vaky sehatra, niarahana tamin’ny mpanakanto maro tao amin’ny Stade papmad Ambohimanambola. Tontosa soa aman-tsara ny hetsika ary afa-po ireo mpikarakara sy mpanontrona nandritra izany.
“Ny mpanakanto B-lain, Raouto, Odyai ary Bellah no nanafana ny lanonana tamin’ny folakandro’ny alahady teo. Niavaka ny lanonana nandritra izany ary afa-po ny mpikarakara. Mampanantena anefa fa mbola ho tsara hatrany no hatolotra amin’ny manaraka” hoy ny mpikarakara ny seho.
“Izay vao nisy seho tahaka izao teto amin’ny kaominina. Afa-po izahay mpanatrika ary hirariana ny mba hisian’izany matetika satria anisan’ny mitondra laza ny kaominina ny fikarakarana seho sehatra tahaka izao no mampiala voly” hoy Safidy, mponina ao Ambohimanambola.
Mampiala voly ny mponina tokoa ny fikarakarana seho sehatra tahaka izao ary anisan’ny manome lanja ireo mpanakanto. Tsara kokoa anefa raha any anaty fotoan’ny fialan-tsasatra no tena omena vahana ny seho mba hampandraisana anjara ny fianakavina rehetra.
Manitra Ramanantsoa
