ActualitésTsidika

Tontolo iainana: Ala tapia 9000ha havadika ho faritra arovana.

Mampiavaka ny faritra Itasy iny ny famokarana tapia. Ahitana ala tapia mihitsy amin’iny faritra Miarinarivo sy Arivonimamo iny. Mirefy 9000ha izany ka ho avadika ho ala arovana.

Ho fanamafisana ny fiarovana sy fanomezan-danja ity ala mampiavaka ny faritra Itasy ity no anton’izao hevitra izao. Havadika ho ala arovana (aire protégée communautaire) ny ala tapia mirefy 9000ha ao Arivonimamo sy Miarinarivo ity. Miankina amin’io ny fiharian’ny mponina any an-toerana ary tombony ho azy ireo izany ka anisan’ny antony iray hiarovana azy fatratra izany mba tsy ho simbasimba ho azy. Tantanan’ny Vondron’Olona Ifotony izy io ankehitriny ka hahafahana manampy azy ireo amin’ny fiarovana izany koa no anisan’ny anton’izao.

“Fanampiana ho an’ireo tantsaha sy ireo mponina eny ifotony no anton’izao satria io no fidiram-bola ho azy ireo ka rariny raha omena sehatra hamokatra malalaka izy ireo. Ny tena hatahorana amin’izy itony dia ny afo ka handray anjara amin’izany ny rehetra ho fiarovana ny fidiram-bolan’izy ireo”, hoy ny avy ao amin’ny Agence Française pour le Développment, mpiara miombon’natoka amin’ny tetik’asa.

“Mila ampiana fanazavana ihany izy ity sao hoe fihariana dia fihariana ho an’ny fanjakana fa tsy hon an’ny mponina, rehefa misy faritra arovana toy izao dia lasan’ny fanjakana foana ny tombony ka izay no mila ampahafantarina tsara ireo tanstaha ireo”, hoy i Mihaja, mpanara-baovao.

Hamafisina ny fiarovana sy ny fitandroana ny ala tapia any amin’ny faritra Itasy satria fidiram-bola ho an’ny mponina any. Raha tsy ho an’ny mponina ve izany dia tokony dorana ireo ala izay nandaniana hery sy vola maro natao hiarovana ny tontolo iainana?

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire