ActualitésTatitra

Haïti : Olona fito no matin’ny Choléra

Manahy ny fiverenan’ny aretina Choléra ao amin’ny faritanin’i Haïti ny tompon’andraikitra. Nanao fanambarana ny minisitrin’ny fahasalamam-bahoaka tao an-toerana fa olona 7 indray no matin’ny aretina ny fiandohan’ny volana teo. Nangina nandritra ny 3 taona ny Choléra tao Haïti. Tsiahivina nefa fa teo anelanelan’ny taona 2010 sy 2019 dia nahita tranga 820 000 isa izany tao an-toerana ary nandringana olona manodidina ny 10 000 isa.

Tao amin’ny kaominin’i Port-au-Prince sy Cité du Soleil kosa hatreto no nahita ny trangan’aretina. Nanazava ny tale jeneralin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, Lauré Adrien fa maty tao an-tananany avokoa ireo tranga 7 ireo ary nahavita niazo ny toeram-pitsaboana intsony. Nangataka ny hanalana ny sakan-dalana manerana ny firenena napetraka nanomboka ny 11 septambra teo izy mba ahafan’ireo marary miazo ny toeram-pitsaboana.

Laisser un commentaire