Micronésie : Mainty sy fotsy ihany ny loko hitan’ny ampahan’ny mponin’ny nosy Pingelap
Nosy roa Pohnpei sy Pingelap, mivondra ao amin’ny Micronésie no voakasik’ity tranga hafakely ity. Mainty sy fotsy ihany ny loko hitan’ny ampahan’ny mponina ao amin’ireo ary ao amin’ny nosy Pingelap no tena maro izany raha ny fanazavana. Aretin’ny maso ity mahazo ny mponina ao an-toerana ity hoy ireo manam-pahaizana. ary manazava izany ny tantaran’ny nosy.Nisy rivi-doza be tany amin’ny taona 1775 tao an-toerana raha ny fanazavana ary ny mpanjaka sy ny olona vitsivitsy sisa no velona tamin’izany ary nifanambady ka niteraka tsy fahatomombanana « génétique ».5 hatramin’ny 10 % ny mponina ao Pingelap no tratran’ity aretina antsoina hoe « achromatopsie » ity raha olona iray amina olona 30 000 no tratran’izany maneran-tany. Ny hafanana be ihany koa no anisany mahatonga azy hoy ireo manam-pahaizana. Marihina fa tsy mahita tsara ary tsy mazaka hazavana be ny tratran’ity aretina ity saingy mahita tsara amin’ny alina.
