SocialTatitra

Etats-Unis : Polisy maty teo ampanombohana ny asany

Raim-pianakaviana 26 taona i Dylan Harrison. Vao niditra niasa tao amin’ny polisy ny tenany. Nisy nitifitra ny basy teo alohan’ny biraon’ny polisy nefa izy ny andro voalohany niasany ny sabotsy teo tamin’iray maraina tao Alamo, ao Géorgie. Tonga ara-potoana teo an-toerana ireo mpamonjy voina saingy tsy tana intsony ny ainy. Lehilahy antsoina hoe Damien Ferguson, 43 taona kosa no ahiahana nahavanona ny loza ka hotolorana 17 500 dollars izay mahavita misambotra azy hoy ny governora an’i Géorgie Brian Kemp.

Laisser un commentaire