SportTatitra

Turquie : Lasan’i Valtteri Bottas ny fandresena

Nanolotra amboara vaovao ho an’ny Mercedes indray i Valtteri Bottas. Tafiakatra laharana voalohany teo alohan’ny mpanamorin’ny Red Bull Max Verstappen sy i Sergio Pérez izy. Fandresena voalohan’ny tamin’ity taom-pilalaovana ity iny azony ny alahady teo iny. Hatrany ampiandohana izy no efa nitarika ary tsy nanao fahadisoana mihitsy. I Max Verstappen indray izao no mitana ny laharana voalohany amin’ny fiadiana ho tompondaka eran-tany (isa 262,5). Manaraka azy eo I Lewis Hamilton (Mercedes, isa 256,5) sy I Valtteri Bottas (isa 177).

Laisser un commentaire