Hain-trano tao Ambatoboeny
12 Oktobra, 08h30. Nisehoana hain-trano nahatsiravina tao Ankaraobato Ambatoboeny omaly tokony ho tamin’ny folo ora maraina teo ho eo. Trano miisa 15 no may ary olona 96 tsy manan-kialofana, Sprinter iray sy kisoa 70 no may kilan’ny afo fa tsy nisy ny aina nafoy. Araka ny fantatra dia ramatoa iray nadoro taratasy tao amin’ny trano fivoahana no nahatonga ny firehetana.
