Dépêches

Analamanga : Fandaminana ny fizarana fisotroan-dronono eny amin’ny tahirim-bolam-panjakana

10 Febroary, 10h19. Ny laharana « pension » miafara amin’ny 0-1- 2 no mandray fisotroan-dronono androany alakamisy 10 Febroary, hitohy amin’ny laharana mifarana amin’ny 3-4-5 izany ny Zoma 11 Febroary izao, ny miafara amin’ny 6-7-8-9 ny Alatsinainy 14 Febroary ary ny miafara amin’ny A-B-C-D ny Talata 15 Febroary izao. Ireo mitondra « procuration » sy ireo taraiky kosa dia ny Alarobia 16 Febroary no manomboka mandray. Afaka alaina amin’ny fotoana rehetra ny “pension” ho an’ireo izay mbola tsy nahazo izany tamin’ny andro voatondro andraisany ny fisotroan-drononony. Ho an’ny faritra hafa dia mety miova ny daty fanombohan’ny fizarana fa mitovy kosa ny fandaminana amin’ny laharana.

Laisser un commentaire