ActualitésTatitra

Maurice : Tavoahangy plastika 1 015 taonina no voaangona tao anatin’ny 2 andro

Fikambanana maro toy ny Yes No Solutions, New Invaders Club, We-Recycle Mauritius, Mission Verte ary Freedom Plastic ao amin’ny nosy Maurice no niara-niasa tamin’ny CocaCola sy ny PhoenixEarth nandroaka fako plastika sy nanentana ny mponina amin’ny fomba fanariana io akora tsy mety levona io.

Niroso tamin’ny fandraofana tavohangy plastika izy ireo nandritra ny roa andro ary nahatratra 1015 taonina ny lanjan’ny tavohangy voaangon’izy nandritra izany. Tanana maro tao avaratry ny nosy no voakasik’io asa fanadiovana io, anisan’izany ny faritr’i Rivière-du-Rempart ao Calebasses, Piton, Mon-Goût ary D’Épinay. Mahatratra 635 kg sy 940 kg kosa ny fako sy tavoahangy voahangona tao erre-Rouge tao Petit-Raffray.

Laisser un commentaire