Maurice : Nampanantena fitsidihana an’i La Réunion i Navin Ramgoolam
Praiminisitra teo aloha tao amin’ny nosy Maurice i Navin Ramgoolam. Nilaza izy nandritra ny lalonana ho an’ny zokiolona tao Roches-Noires ny alahady teo fa mampanantena fitsidihana an’i La Réunion ho an’ireo olona maherin’ny 60 taona raha tonga eo amin’ny fitondrana.
Mpitarika ny antoko PTr (Parti Travailliste) i Navin Ramgoolam. Nilaza izy fa tsy hanatanteraka io fanamby nataony io raha tsy tonga eo amin’ny fitondrana ny antokony. Tsy nisalasala nanakiana ny praiminisitra ao an-toerana amin’izao fotoana, Pravind Jugnauth kosa ny tenany nandritra ny lahateny nataony.
