Etats-Unis : Tsy voafehy intsony ny famoanona ny afo ao Texas, olona iray no namoy ny ainy hetreto
Nisehoana fahamaizana goavana tao avaratr’i Texas. Noho ny tsy fahafehezana ny afo dia olona iray hatreto no namoy ny ainy. Nanao izay fara heriny ny avy amin’ny sampana mpamonjy voina tany an-toerana tamin’ny famonoana sy ny fifehezana ny afo saingy tsy voafehy izany noho haben’ny velaran’ny afo sy ny fitsokan’ny rivotra mafy izay nampihitatra hatrany ny velarana fahamaizana, eo ihany koa ny toe-tany maina sy ny hafanana any an-toerana amin’izao fotoana. Voasokajy ho anisan’ny fahamaizana lehibe indrindra, teo amin’ny tantaran’i Texas ity tranga ity satria efa mahatratra hatramin’ny 334.000 hektara ny faritra may tao anatin’izany.
