ActualitésTsidika

Alasora : Nanampy tamin’ny fanadiovana ny tsena ireo mpianatra nandritra ny andron’ny sekoly

Nisy ny fanamarihana ny andron’ny sekoly tamin’ity herinandro ity. Hetsika maro no nentina nankalazana izany ary samy nanana ny fomba nankalazana sy nampiavaka azy ireo sekoly rehetra. Ho an’ny tao amin’ny Lycée TASC Alasora, nanampy ny kaominina tamin’ny asa fanadiovana ny tsena  ireo mpianatra, araka ny voalaza.

« Nisafidy ny hanampy ireo mpanadio eto anivon’ny kaominina ny mpianatry ny Lycée TASC Alasora tamin’ity fotoana ity. Nandritra izany dia nanatanteraka asa fanadiovana ny tsena tetsy Ankadindratombo, sy ny lalana eo Ankadindratombo makeny amin’ny By-pass ireo mpianatra » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

« Anisan’ny mafinaritra ny mahita ireo ankizy manana fandavan-tena hanasoavana ny hafa tahaka izao. Ireo mpanabe no hisaorana ao anatin’izany satria miankina tanteraka amin’ny fanabeazana sy ny fampianarana ary ny fanoroana ny tsara ho hay ny famolavolana olom-banona ary mampandroso ny tanora ho tomponandraikitra » hoy i Julie, ray amandrenin’ny mpianatra.

Ankoatra ny asa fanadiovana, dia anisan’ny nanamarika ny andron’ny sekoly tamin’ity taona ity ihany koa ny fambolen-kazo. Loha-hevitra nosafidian’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ho an’ny fankalazana ny andron’ny sekoly tamin’ity taom-pianarana ity ny hoe « Sekoly ivon’ny fiaraha-monina, mpianatra vonona sy vanona ho amin’ny fandrosoana lovain-jafy »

Laisser un commentaire