PolitiqueTatitra

Ady ao Gaza : Efa maherin’ny 30.000 ireo maty hatramin’ny nanombohan’ny ady ny 7 Oktobra 2023

Miakatra hatrany ny tahan’ireo olona maty vokatry ny ady any Gaza amin’izao fotoana. Omaly alakamisy, namoaka tatitra vaovao momba izany ny ministera misahana ny fahasalamana ao Hamas. Hatramin’ny fotoana  nanombohan’ny ady, ny 07 oktobra 2023 ; dia efa maherin’ny 30.000 ireo olona maty vokatr’ity ady ity, tao Gaza. Ny niatombohan’ny ady moa dia vokatry ny fanafihana nandatsa-drà nataon’ny hetsika Palestiniana tao  tamin’ny tanin’i Israely, ary nahafaty olona be indrindra satria nahatratra 1.160 ireo maty tamin’izany ary sivily no ankabeazan’ireo namoy ny ainy. Ny tanin’i Palestine ihany koa izay efa sokajiana ho « zone de mort » vokatry ny ady hatrany, raha ny nambaran’ny firenena mikambana. Ity no ady namoizana an’olona be indrindra, ankoatra ireo ady dimy efa nisy teo amin’ny Israël sy Hamas.

Laisser un commentaire