Seychelles : Voagejan’ny zava-mahadomelina ny mponin’ny nosy
Manodidina ny 10% ny mponina ao amin’ny nosy Seychelles no miankin-doha amin’ny « heroïne ». Efa ambony dia ambony izany raha ny fanazavana nentin’ny governemanta tao an-toerana. Na ny fampidirana am-ponja aza dia tsy mbola mahasakana ireo sokajin’olona ireo handray zava-mahadomelina raha ny fanamafisana.
Mahazo alalana nanao nanadihadiana tao amin’ny fonja iray tao Montagne Posée izay fonja lehibe indrindra ao Seychelles ny BBC Africa Eye. Novelabelarin’izy ireo tao anatin’izany fa mbola mifamezivezy ao amin’ny fonja ihany koa ny « heroïne ». Nohamafisin’i Jude Jean, lehilahy iray voafonja ao an-toerana izany ary nanazava izy fa manolohana ny tsy fahafehezan’ny tompon’andraikitra ao an-toerana ny zava-misy dia niantso olona avy tamin’ny firenena hafa izy ireo.
Mpiambina avy ao Tanzanie no miandraikitra ny fanaraha-maso ny fifamezivezan’ny « heroïne » ao amin’ny fonja amin’izao fotoana saingy mbola tsy nahitam-bokany izany.
