ActualitésTatitra

Maldives : Mandroso ny fanamboarana ilay tanàna ambony rano

Efa tany amin’ny roa taona lasa tany no namolavolana ny tetik’asa tanàna ambony rano na « ville flottante » tao Maldives. Mandroso ny fanatanterahana izany ary efa azo tsidihan’ireo liana sy vonona hitoetra eo amin’ny tanàna ireo trano voalohany efa tafapetraka nanomboka ny alatsinainy teo.

Miendrika fitanterana an-drano antsoina hoe « radeau » io tanàna voalohany tafajoro io, misy trano telo eo amboniny izay misy rihana ny iray. Toerana 200 hekitara akaiky ny renivohitra Malé kosa no mbola natokana hanitarana io tanàna ambony rano io. Raha ny fanazavana kosa dia atao mahaleo tena tanteraka ara-angovo amin’ny alalan’ny « panneaux solaires » io tanàna io.

Fonenana 5000 isa no mbola hapetraka ao amin’izany miaraka amin’ireo foto-drafitr’asa samihafa toy ny sekoly, hopitaly, hotely sns. Raha tsiahivina kosa dia orinasa Néerlandais no miandraikitra ny tetik’asa izay tombanana eo amin’ iray miliara dollars eo.

Laisser un commentaire