Midongy Atsimo : Tapaka ny lalana sy ny herinaratra, miakatra ny vidin’entana
Tapaka nanomboka herinandro lasa teo ny herinaratry ny Jirama any Midongy Atsimo. Tsy misy ny solika enti-manodina ny milina noho ny fahatapahan’ny lalana tamin’ny fandalaovan’ny rivodoza Batsirai sy Emnati.
« Tapaka ny lalana aty Midongy Atsimo. Tsy misy fiara afaka mitatitra entana nandritra ny roa volana latsaka. Miakatra hatramin’ny vidin’entana mihitsy aza » hoy ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Midongy Atsimo. « Tafiakatra hatrany amin’ny 1 600 Ariary ny vary iray kapoaka. Simban’ny rano ny mangahazo, ary amidy 4 000 Ariary ny tokotokony rehefa tonga ao Midongy tampn-tanàna. Tsy misy koa ny solika fandrehitra (pétrole) fampiasan’ny mponina » hoy ireo mponina. Eo anelanelan’ny kaominina ambanivohitra Bevao sy Sagnira no mbola misy tany nihotsaka tsy afaka.
Efa nisy ny fanalana tany nihotsaka, izay nampiasana milina lehibe avy amin’ny faritra sy solika 1 000 litatra avy amin’ny solombavambahoaka, saingy tapaka hatreo Bevao ny asa.
