SocialTsidika

Angavao Alasora : Mandroso ny fanamboarana lalan-kely

Mitohy ny fanamborana ny lalana Angavao ao amin’ny kaominina Alasora. Mandroso tsara ny asa ary hisitraka izany tsy ho ela ny mponina.

« Manampy betsaka amin’ny fampandrosoana ety ifotony ny fanamboarana ny lalana eny amin’ny tanàna tahaka izao. Isaorana ny tompon’andraikitra, izay tena mijery akaiky anay vahoaka » hoy i Felana, mponina ao Alasora. « Mandroso tsy araka ny niheverana azy ny asa fanamboarana ny lalana Angavao. Haingam-piasa ireo manamboatra azy ary manaraka ny toromarika omena » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Alasora.

Miasa hatrany ho an’ny vahoaka tokoa ny tompon’andraiki-panjakana ao amin’ny kaominina Alasora. Tsy mitsahatra mitondra asa fampandrosoana ny tanàna izy ireo. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire