ActualitésTsidika

Fepetra takiana raha te ho lasa mpanamory fiara-manidina matihanina

Raha “hotesse de l’air” no asa tian’ny vavy kely, vao kely kosa ny ankizy lahy rehefa hanontanina ny asa tiany hatao rehefa lehibe dia mamaly izy ireo matetika hoe “pilote”, izany hoe mpanamory fiara-manidina. Mahasarika ankizy maro tokoa izany hoe fanamoriana fiara-manidina izany saingy ny lalana hahatongavana amin’izany no mbola tsy be mpahalala. Atolotra anao eto ary ireo fepetra ilaina raha te hiditra amin’io sehatra io.

Mila manana ny mari-pahaizana Baccalauréat siantifika ianao, izany hoe “série D na C na teknika”. Izany no fepetra tsy maintsy takiana voalohany raha te hianatra izany. Manaraka izany ao ny fanadinana fidirana izay misy ny fanadinana mahakasika ny “mathématique sy ny langues” isan-karazany.

Maharitra erin-taona ny fianarana ho an’ny indray-mihira izay mitsinjara toy izao. Misy ny fampiofanana teorika izay maharitra. Manaraka izany tsy maintsy manatanteraka ny fampiofanana pratika mandritra ny 40ora hatramin’ny 50 ora eo ho eon y mpianatra tsirairay. Miditra lalina kokoa amin’ny maha-matihanina rehefa vita izany ka mbola mandalo dingana maromaro mialohan’ny hazahoana ny diplaoma.

Maharitra ny ela ny fianarana araka ny mpianatra sy ny hoenti-manana satria dia lafo ny saram-pianarana raha 6tapitrisa ho an’ny fampiofanana teorika. Ny fampiofanana pratika ihany koa dia 830 000ar isan’ora.

Azo lazaina ho lafo tokoa ny saram-pianarana ka mahatonga ny mpianatra miova taranja. Inona no vahaolana harosonao hop an’ireo izay te hiditra anatin’izany sehatra izany?

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire