Voafehy ve ny coronavirus eto Madagasikara ?
Nahitana fihenana ny salan’isan’ireo marary ny COVID-19 tamin’ny herinandro lasa iny rah any teto Madagasikara manokana. Nambaran’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta mihitsy aza fa efa voafehy ny COVID eto amin’ny firenentsika. Ny Alatsinainy 15 febroary no nanambarany izany nandritra ny fivoriana mikasika ny drafi-pirenena marolafy iatrehana ny valan’aretina CoronaVirus teny amin’ny Ministeran’ny raharaham-bahiny Anosy. Ireo mpiara-miombon’antoka ihany koa etsy an-kilany dia vonona hatrany hifanome Tanana amin’ny fitondram-panjakana ny amin’izay ezaka rehetra mbola ho atao. Inona no ahafahana milaza fa voafehy ny COVID eto Madagasikara ?
Nicole Rafalimananjara
