Tatitra

Cap Vert: Nahazo fanampiana tany amin’ny Banky iraisam-pirenena.

Hatreto aloha dia i Cap Vert no firenena Afrikanina voalohany nahazo fanampiana tamin’ny banky iraisam-pirenena mikasika ny vaksiny. Tamin’ny Alakamisy lasa teo no nanambaran’ny Banky iraisam-pirenena fa hanome vola 5 tapitrisa Dolara (19 000 tapitrisa ariary) an’i Cap Vert izy ireo mba hahafahany misitraka vaksiny hiadiana amin’ny COVID 19. Ary mba ho afaka hividy vaksiny hiarovana am’io aretina io ho an’ny mponina miisa 550 000 ny gouvernemanta.

Laisser un commentaire