ActualitésTsidika

Talata Volonondry: Nihena ny isan’ireo voasoratra anaty lisim-pifidianana

Nahitana fihenana ny tahan’ny isan’ny mpifidy ao amin’ny fokontany iray ao amin’ny kaominina Talata Volonondry. Ho an’ity taona ity, nihena efa ho 500 isa ireo mpifidy voasoratra anaty lisim-pifidianana, raha oharina ny tamin’ny taon-dasa, araka ny voalaza.

« Raha jerena ny isa tamin’ny taona 2018, nahatratra 2700 ny isan’ny mpifidy teto amin’ny fokontany Talata volonondry, tamin’ity taona 2023 ity kosa anefa, dimy taona aty aoriana, eo amin’ny 2221 ireo olona voasoratra » hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny fokontany.

« Maro ny antony mety mahatonga ny fihenan’ny isan’ny mpifidy fa raha ny tsikaritra aloha dia tsy ampy ny fanentanana ny olona amin’ny fanoratana anarana anaty lisim-pifidianana. Eo ihany koa ny vokatry ny zava-misy ka kamo ireo olona noho ny fahasahiranana » hoy i Maneva, mponina ao Talata Volonondry.

Mampametra-panotaniana tokoa moa ny antony mahatonga izao fihenana izao kanefa ny isan’ny mponina dia mihamitombo ao an-toerana. Marihina moa fa mbola azon’ny olom-pirenena atao ny manamarina ny anarany na manoratra ny anarany anaty lisim-pifidianana hatramin’ny 06 May, raha tsy mbola tafiditra.

Manitra R.

Laisser un commentaire